jeudi 5 mars 2009

Navelan'ny Tanora Gasy Vonona amin' ny Tanora Tonga Saina ny Kianja ! Aza misy miteniteny ...

Tebiteby sy tahotra no fiainan'ny Malagasy tato ato :

Mitebiteby fa sao tsy mahita sakafo ho hanina,
Mitebiteby fa sao dia marary ka tsy mahita mpitsabo na fanafody,
Mitebiteby fa sao very asa ho an'ireo izay manana,
Mitebiteby fa sao tsy mahita bus na taxi ho an'ireo izay te hiasa,
Mitebiteby fa sao tsy afaka mandeha mianatra,
Mitebiteby fa tsy misy saosy,

Matahotra fa sao misy mandroba ny varotra,
Matahotra fa sao misy manendaka na mamaky ny trano,
Matahotra fa soa voan'ny bala,
Matahotra fa sao misy manao tondro-molotra,
Matahotra fa sao miverina amin'ny fomba fitondra teo aloha,


Izany rehetra izany no vokatry ny fitiavan-tenan'ireo olom-bitsy milaza mino an'andriamanitra, manadino na tsy mahafantatra ny fototry ny kolontsaina Malagasy: FIHAVANANA izay tanisa etsy sy ero fa tsy ampiarina akory.

Mahagaga anefa, fa na ny mpitondra fiangonana na ireo antokon'olona nanelanelana ny adin'ny samy malagasy dia tsy afaka nampita akory ny soatoavina.

Asa re tompoko na natoa hanadinoana ny kolontsaina ity repoblika "théocratique" ity mba hampiroborobona ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-tena.


Zanahary ô !
Tahio ny tanindrazanay
Fa mbola tsy tonga faona ny nampanantenaina anay
Na dia efa nino ary izahay.

Iza indray no antokisanay
Hitondra ny tanindrazanay
Sy hanaja ny kolontsainay
Mba ho tany sabamtra ilay Madagasikaranay.

Mbitrika Mendoka

1 commentaire:

  1. Misaotra e..
    Tena marina tsisy kianina miitsy.
    MAnkasitraka @ fahasiana e.

    RépondreSupprimer